Festival Sakaleona: manomboka anio ny hetsika

Tanterahina manomboka anio hatramin’ny 22 desambra izao ny « Festival Sakaleona » andiany voalohany. Ny fikambanana Mbarakaly, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Sera­sera sy ny kolontsaina, no mi­karakara azy. Natao hampiroboroboana ny zavakanto sy ny kolontsain’ny distrikan’i Nosy Varika izy ity. Tanjona ao anatin’ izany ny fampahafantarana bebe kokoa ny distrika. Eo ihany koa ny fisintonana ireo mpandraharaha sy mpizaha­tany ho tombontsoa ara-toekarena any an-toerana.
Renirano mamakivaky ny distrikan’i Nosy Varika ny Saka­leona. Tafiditra ao anatin’ireo harembako-pirenena miisa 193 eto Madagasikara izy. Izany no anisan’ny antony nampiton­drana azy ny anaran’ny hetsika. Ny “mamoa mandry” no hanokafana izany anio. Hitohy amin’ ny fifaninanana ara-panatan­jahantena maro samihafa. Eo ihany koa ny hetsika ara-javakanto sahala amin’ny Vako­dra­zana. Hisy ny fitetezana ireo toerana manan-tantara ao Nosy Varika mandritra ireo fotoana ireo. “Sehatra anisan’ny mampanankarena an’i Madagasi­kara ny zavakanto sy ny kolon­tsaina ka tokony ho tohanana hatrany”, hoy ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Mara Volamiranty Donna.

Lin

Partager sur: