Taom-piotazana letisia 2024-2025 : Nanondrana 18 000 palettes isika

Tratra ny fatrana letisia naondrana teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena tamin’ity taona ity. « Tafakatra hatrany amin’ny 18 000 palettes ny vokatra nentin’ireo sambo efatra avy any ivelany raha toa ka 16 000 palettes izany tamin’ny taon-dasa. Efa ahitana ny vokatra letisia ihany koa eto amin’ny tsena anatiny », hoy ny tale jeneralin’ny varotra, Razanakoto Isidore. Na izany, marefo ny vokatra tamin’ity taona ity raha oharina ny tamin’ny taon-dasa noho ny fiovaovan’ny toetr’andro, izay niantraika betsaka teo amin’ny famokarana. Nihena ny vokatra noho ny habetsaky ny orana hatramin’ny niandohan’ny volana oktobra, izay niantoka ny famokarana sy nampihena ny hafanan’ny rivotra. Raha ny fanazavan’ny ivontoerana teknika mpanara-maso ny famokarana ao Toamasina (CTHT). Manoloana izany, efa manomana ny paikady hanatsarana ny vokatra amin’ny taona ho avy ireo mpiara-miombon’antoka maro samihafa. Hiara-kiasa ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) sy ny CTHT hanara-maso ny vokatra. Hisy ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ny tantsaha hampiroboroboana ny famokarana.

Henintsoa H.

Partager sur: