Tafidina hatrany amin’ny 50% ny saran’ny tapakila ho an’ny sidina anatiny ataon’ny Madagascar Airlines amin’ny taona 2025. Tolotra manokana ataony amin’izao ankatoky ny fetin’ny faran’ny taona izao. « Manan-kery ho an’ireo mividy tapakila hatramin’ny 5 janoary 2025 ity tolotra ity », hoy ny fampitam-baovaon’ny orinasa. Fotoana izao hahafahan’ireo mpandeha manararaotra ny tolotra amin’ny sarany mora amin’ireo sidina anatiny ataon’ny kaompania, toa an’i Toamasina-Antananarivo. Tafiditra ao anatin’izao fihenam-bidy izao, eo anelanelan’ny 15 janoary hatramin’ny 31 oktobra 2025, ankoatra ny vanim-potoana mampiroborobo ny sehatry ny fizahantany izay manomboka ny 1 jolay ka hatramin’ny 10 septambra 2025. Voafetra ny toerana. Araka izany, afaka mamandrika tapakila dieny izao eny anivon’ireo masoivoho an’ny Madagasikara Airlines ireo mpandeha na koa miditra ao amin’ny tranokala ofisialin’ny kaompania. Tanjona ny hahafahan’ny rehetra mijery sy mahita ny hakanton’i Madagasikara amin’ny sarany mora.
Henintsoa H.