VAOVAO TAMBATRA

Tombanana ho vita mialoha ny vanim-potoan’ny maintany amin’ny taona 2025 ireo tetikasa fanatsarana ny famatsiana rano eto Antananarivo. Tafiditra ao anatin’izany ny tetikasa PAAEP sy ny Jirama Water 3. Dingana hametrahana ireo fotodrafitrasa hamahana ny olan’ny famatsian-drano eto an-dRenivohitra.
Tanterahana any Toliara, ny 17 hatramin’ny 19 avrily 2025, ny Fihaonamben’ny tanora afrikanina momba ny toekarena manga, FAOJEB, andiany faharoa. Hetsika hanentanana ireo tanora amin’ny asa manodidina ny toekarena manga, ny famoronana asa sy hanenana ny tahan’ny tsy fananan’asa, fifampizarana traikefa amin’ireo tanora afrikanina ihany koa.
Maherin’ny 250 ireo mpiray tanindrazana nifandrimbona niatrika ny famonoana ny afo ao amin’ny valan-javaboaharin’i Manombo-Farafangana, omaly. Nanano sarotra ny famonoana ny afo noho ny haintany sy ny rivotra. Voalaza fa afo fanahy iniana natao no fototry ny firehetana.
Nanomboka tamin’ny fomba ofisialy omaly, ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny faritra (JIR), andiany faha-10, ao amin’ny faritra Diana. Telo andro natokana ho an’ny fifanakalozana sy fiaraha-miasa ary ho fampiroboroboana ny toekarena any an-toerana. Tanjona ny hampisehoana ny anjara asan’ny faritra amin’ny fampandrosoana ny firenena.

Partager sur: