Tafakatra 61% ny salanisan’ireo mpampiasa vola elektronika eto Madagasikara. Niakatra io taha io tao anatin’ny dimy taona raha 9,8 tapitrisa izany ny taona 2018 ary lasa 15,8 tapitrisa ny taona 2022. Tanjona ny hampitomboina ny fampiasan’ny olona tsirairay sy ny orinasa madinika sy salantsalany ny tolotra ara-bola.
Maherin’ny 12 000 dolara ny taonina amin’ny Cacao, ny herinandro teo. Tafakatra 180% ny fiakaran’ny vokatra hatramin’ny niandohan’ny taona. Nihena ny vokatra maneran-tany, antony mampiakatra ny vidiny. Heverina hihena hatrany amin’ny 10% ka ho 1,9 tapitrisa taonina ny vokatra ao Côte d’Ivoire, firenena anisan’ny mpamokatra Cacao betsaka indrindra maneran-tany.
Tonga ao amin’ny seranan-tsambon’Antsiranana ny vary 800 taonina mahery hanampiana ny tahiry any an-toerana. Ampy hiatrehina ny fotoam-pahavaratra ny tahirin’entana ao amin’ny faritra. Na izany, manara-maso ireo entana hafarana eto an-dRenivohitra ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra.
Miisa 300 ireo tantsaha mpamokatra nisitraka tohana ho an’ny seha-pihariana vary an-drano ho an’ny taom-pambolena 2024-2025, ao amin’ny faritra Anosy. Tohana masomboly 2 700 kg, zezika NPK 4 500kg ary zezika biolojika 22 500kg no nozaraina tamin’izany.