“Noelin’ny fitia”: Niaina ny seho Noely ny Kianja Masoandro

Toerana fanaovana fampisehoana miavaka ny Kianja Masoandro, eny Anatirova. Nandray sy niaina ny “Noelin’ny fitia” nandritra ny hefarana ny toerana, nampiditra ny maha fotoana firavoravoana ihany koa.

Efa nisy fankalazana ny Krismasy ihany koa tao Anatirova, raha ny ara-tantara. Nandritra ny fitondran’ ireo Andriamanjaka sy praiminisitra nankato sy nanaraka ny fivavahana kristianina iza­ny. Samy amin’ny vanim-potoanany amin’ny tantara, fa niverina indray nandray ny fankalazana ny Noely Anatiro­va. Nanomboka ny alin’ny sabotsy lasa teo mantsy ny “Noelin’ny fitia”, karakarain’ny fiadidiana ny Repoblika eny Anatirova. Ny Kianja Ma­soandro, toerana natokana handray fampisehoana miavaka toy izany no nanaovana ny seho nifandimby.
“Nasiana fanamboarana sy fanavaozana ity toerana ity. Raha setroka sy lelafo miredareda no nameno ny lanitra ta­min’izany, androany kosa jiro maroloko hafanain’ny fankalazana izay tanterahantsika eto. Noelin’ny fitia. Ilay fitia izay ni­dirantsika tato satria hifampizara fitiavana sy hafaliana isika”, hoy ny nambaran’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, nandritra ny seho fanokafana ny sabotsy teo. Tonga nanome voninahitra manokana ny fotoana ny filoha mivady, izay naneho ihany koa fa anatin’ny fotoana firavoravoana izao. Nialoha kelin’izay mantsy, avy nisantatra ny kilalaon-jiro manintona, entina hampialana voly ny sarambabem-bahoaka etsy Ambohija­tovo izy ireo.
Seho hafakely hatrany, izay niova isan’andro no natolotr’ireo mpanakanto. Ny sa­bo­tsy, naneho karazany maro tamin’ireo hira Noely iraisam-pirenena, tamin’ny fiteny malagasy, frantsay ary anglisy, ry Tana Gospel Choir sy ireo mpanakanto maro nifandimby. Anisan’ny nahazo hoby ihany koa ireo ankizin’ny Akamasoa, nanolotra seho tamin’ny fo, nanao ny “We wish you a merry Christmas”. Nofaranana tamin’ny “We are The World”, hira maneho ny fitiavana sy malaza indrindra maneran-tany ny sabotsy. Notohizan’ny Home Church, Antsa an’i Kristy ary ry Ikala Vazo kosa ny omaly. Mbola manana anio sy rahampitso hiakarana eny Anatirova ireo liana amin’ny “Noelin’ny fitia”, isaky ny amin’ ny 7 ora alina.

Zo ny Aina

Partager sur: