“Kolontsaina, vatofotry ny fampandrosoana”. Lohahevitry ny “Festival Sakaleona” andiany voalohany, izay notontosaina tany Nosy Varika, Faritra Vatovavy, ny faran’ny herinandro teo. Sambany no nisy, nentina nanasongadinana ny kolontsaina ifotony ao amin’ity faritra ity izany. Faritra izay manan-karena amin’izay kolontsaina sy zavakanto marolafy izay, kanefa tsy dia tena hita taratra nandritra ny fotoana ela. Satria zanaky ny faritra ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera, anisan’ny nitondra tosika ho an’ny hetsika izy sy ny departemanta tantanany.
Toy ny “festival” isam-paritra rehetra, mahazo vahana betsaka ny lafiny fampisehoana mozika. Tsy izay ihany anefa, fa sehatra maro no nasongadina tamin’ity andiany voalohany ity. Teo ny fampirantiana sary tahiry, tsiahy ho an’ny tantara nosahanin’ny Tranombokim-pirenena malagasy. Teo koa ny velakevitra sy fifampizarana teo amin’ireo tanoran’i Nosy Varika sy ny avy ao amin’ny ivontoeram-pikotrehana orinasa manodidina ny zavakanto sy ny kolontsaina. Anisan’ireo nitarika ny adihevitra i Rapo Atlas, tanora mpanakanto sady manam-pahaizana, zanaky ny faritra. Nofaranana tamin’ny fampisehoana nohafanain-dry Dah-Mama, Firmin, Bosco Jr, Ceasar, sns, ny hetsika, omaly.
Zo ny Aina