Base Toliara : Hajaina ny kolontsaina

Misy mponina manana fasana ao amin’ny fari-pitrandrahan’ny Base Toliara any Ranobe. Araka ny voasoratra ao anatin’ny bokin’andraikitra, misy ny fifanarahana natao tamin’ny mponina hamindrana ireo fasana, sady hatao manara-penitra. Nilaza ny mpahay ny maha olombelona (anthropologue), Tsimitamby, fa miisa 38 ny fasana efa nafindra, talohan’ ny desambra 2019, nampihatoana ny Base, ary 55 no mbola tsy vita. Hotohizana ny fanamboarana ary mety hisy koa ny fanitsiana mety hanampiana azy. Milamina amin’ny ankapobeny ny fandrindrana ny asa. Nomarihin’i Tsimitamby anefa, fa hisy Vaomiera hitantana ny fifandirana (Comité de géstion des crises), ahafa­hana mifampidinika tsy tapaka raha sanatria misy ny olana. Mahakasika ny fananan-tany, hojerena tsara ny mombamomba ny tany (état parcel­laire), hamantarana izay tena tompony, sady hisorohana ny fisolokiana. Nohamafisiny fa tena hampihena ny fahantrana any Atsimo Andrefana, indrindra any amin’ny distrika Toliara I sy II, ny Base Toliara.

Njaka A.

Partager sur: