Faritra Itasy: Omen-danja ireo toeram-pizahantany 32

Miisa 32 ireo toeram-pizahantany voamariky ny Ofisim-paritry ny fizahantany ao Itasy (ORTI). Hanome lanja ireo faritra ireo ny tomponandraikitra, hampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany any an-toerana amin’ny alalan’ireo sakafo mampiavaka ny faritra sy ny fambolena. “Faritra anisan’ny mahasarika mpizahatany ny any Itasy noho ny fananany ny Geysers ao Analavory sy ny Ilot de la vierge ao Man­jakasoa”, hoy ny Ofisim-pirenena momba ny fizahan­tany eto Madagasikara (ONTM). Notohizany fa tafiditra ho anisan’ireo faritra fandehanan’ny mpizahatany ny « plage d’Ampefy » sy ny farihin’Andranotorahana.
Ankoatra izay, hojerena manokana ireo faritra hafa any an-toerana, hoenti-mampiroborobo hatrany ny fizahantany, toy ny « Circuit de la route de la soie à la gastronomie locale » izay hitsidihina ireo toeram-pandrariana landy ao Imerin­tsia­tosika sy ny toeram-pampirantiana ireo vokatra ao Arivoni­mamo ary ny fitsidihana ny ivontoeram-panofanana ny asa tanana ao Miarinarivo.
Ankoatra izay, ahafahana mahita sy mamantatra ireo dobo sy saham-pambolena papaye ao Analavory ny fizahantany mifantoka amin’ny fambolena. Tafiditra ao anatin’izany ny fitsidihana ireo sahan-kafe, arahina fampisehoana ireo teknikam-pisivanana ny vokatra. Marihina fa hisokatra ho an’ny rehetra manomboka ny taona 2025 ny « circuit » vaovao mampitohy ireo tanàna 13 ao Ampefy.
Tsiahivina fa sehatra fahatelo anisan’ny mampidi-bola betsaka eto amin’ny firenena ny fizahantany sy ny asa tanana. Ny taona 2023, mitentina 535 tapitrisa euros ny vola azo avy amin’izany. Tafakatra hatrany 350 000 ireo asa mivantana niforona raha 30 tapitrisa kosa ny asa tsy mivantana.

Henintsoa H.

Partager sur: