“Maman j’ai raté l’enlèvement”: Hasehon’ny Cevam an-tsehatra ny andiany fahatelo

Raha lafiny fampisehoana, angamba ity no anisan’ny raitra sy tsara kalitao indrindra tao amin’ny lapan’ny fanatanjahantena. Fa tsy seho fotsiny ny “Maman j’ai raté l’enlèvement”, fa mifono hafatra sy sakafom-panahy, mifanandrify amin’izao vanim-potoana izao izany.

Ny taona 2022 no nentina an-tsehatra voalohany ny “Maman, j’ai rate l’enlèvement”. Tantara an-kira narafitry ny Centre d’évangélisation de Madagascar na ny Cevam izany, izay nahitam-pahombiazana tokoa. Ankoa­tra ny hafatra mafonja fonosiny, mampiaina ny kanto amin’ny mozika sy ny tantara tsangana, amin’ny endriny maoderina ihany koa izy ireo. Notohizana tamin’ny “La grande tribulation” izany tamin’ny taon-dasa, izay mbola nahitam-pahombiazana azo notsapaina tamin’ireo mpanatrika.
Fantatra izao fa hotontosaina ny alahady 28 desambra izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, etsy amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasi­na ny andiany fahatelo amin’ny “Maman j’ai raté l’enlèvement”, ka “Les noces de l’agneau” indray ny lohateniny amin’ity. Hiakatra avo kokoa ny lentan’ny fampisehoana, indrindra eo amin’ny lafiny kilalaon-jiro sy ny fanamafisam-peo, raha ny fanazavana nomen-dry zareo mpikarakara ao amin’ny Cevam, ny alatsinainy teo, tetsy Ankadivato. “Mitondra ny vaovao mahafaly, amin’ny fahatongavan’i Kristy ity andiany fahatelo ity. Tsy noforonina fa mifototra amin’ny tantara ao anatin’ny Baiboly ihany izany”, hoy hatrany ny fanambarana. Ma­nodidina ny 200 eo ireo hamelona ny tantara an-kira, ahitana ireo mpihira, mpitendry, mpilalao an-tsehatra, mpandrindra, sns, izay misy ny sokajin-taona rehetra.
Ireo izay nanatrika ny sasakalin’ny krismasy ny 24 desambra teo tetsy Anka­divato dia efa nahita sombintsombiny amin’ny “Maman j’ai rate l’enlèvement 3”. Nialo­ha­van’ny fiderana sy fiankohofana hatrany, toy izay hiseho amin’ny sabotsy izao izany.
Toy ny mahazatra, na dia goavana sy raitra aza ny seho dia ho maimiampoana ny fidirana. Mila maka tapakila mialoha kosa anefa ireo izay liana amin’ity tantara tsagana an-kira ity. Mila tonga mialoha ihany koa ny andron’ny fampisehoana, mba tsy hisy latsaka amin’ny mpanatrika ny soa sy kanto hifampizarana.

Zo ny Aina

Partager sur: