INDRAY MIJERY

Loza mitatao ho an’ny firenena malagasy ny tohitra ataon’ny otrikaretina amin’ny fanafody natao hiarovana amin’izany. Niara-nanatanteraka ny fankalazana voalohany ny Herinandro natokana ho an’ny ady amin’ny tohitra ataon’ny otrikaretina ny minisiteran’ny Fahasa­lamam-bahoaka sy ireo minisitera enina hafa : Tontolo iainana, Fambolena, Rano, Fahadiovana sy Fidiovana… Toeka­rena Manga, Tanora sy ny Fanatanjahantena.

Hisitraka orana tandrifin-drahona arahin-kotroka mitsotokotoko ny faritra maro ato anatin’ny telo andro ho avy, hoy ny foibe famantarana ny toetry ny andro. Maha­tratra 18°C hatramin’ny 29°C ny maripana eto Anta­na­narivo, anio. Momba ny toetry ny andro kosa, ny tolakandro, handrahona any Sava, Ambatosoa, Ana­lanji­­rofo, Atsinanana, ny tapany avaratr’i Alaotra Mango­ro ary ny tendrony atsimon’ny Nosy sy ny morontsiraka andrefana.

Nahatratra 626 ny olona voalaza fa tsy manana zom-pirenena malagasy araka ny fanisana ny mponina sy ny trano fonenana, RGPH, ny taona 2018, teny anivon’ny tokantrano rehetra. Ny lehilahy no maro anisa, 66%, raha 34% ny vehivavy teny anivon’ny faritra 21 amin’ny 22 misy.

Fikambanana miaro sy manome lanja ny zon’olombelona amin’ny fitovian-jo eo amin’ny lahy sy ny vavy (zo hiasa, zo hisitraka fampianarana)… ny Focus De­velop­ment Association. Nisehatra amin’ny zo hizaka zom-pirenena ny fikambanana nanomboka ny taona 2014.

Partager sur: