« Festival Sar’nao, mois de la photo »: An-dalam-pivelarana ny saripika malagasy

Anisan’ny mampitolagaga ny fahafehezana ny saripika. Ho an’ny eto Madagasikara manokana, mahavelombolo ny mahita ny fahaiza-manaon’ny mpiangaly izany, na dia mbola tsy matihanina tanteraka aza.

Hifarana anio, ny rantin-tsary « Les émotions dans tous ses états » karakarain’ny Photo Club CGM ao amin’ny Cercle Germano Malagasy Anala­kely. Hetsika tafiditra ao ana­tin’ny « Festival Sar’nao, mois de la photo » andiany faha-15. Nanomboka ny 9 desambra teo ary mifarana anio, ny fampirantiana hanehoana ireo sary tsara indrindra avy amin’ny mpandray anjara. Ireo sary maneho fihetseham-po amin’ny endriny rehetra no mandravaka ny efitrano malalaky ny CGM Analakely. Tanjona ao anatin’izao ny hankalazan’ny Photo Club CGM ny « Festival Sar’nao, mois de la photo », anisan’ny hetsika lehibe eo amin’ny tontolon’ny saripika malagasy. Eo ihany koa ny fanomezana sehatra ireo mpikambana, ahafahan’izy ireo mandrefy ny talenta sy ny fahaiza-manaony.

Ankoatra ny fahaiza-manao izay rantovina, ilaina talenta sy aingam-panahy ihany koa io zavakanto io. Izany indrindra no maha anisan’ny maha kanto azy. Raha ho an’ny eny anivon’ny rantin-tsary « Les émotions dans tous ses états », hita ho liana amin’ny fiangaliana izany ny mpikambana. Tsikaritra kosa anefa ny tsy fahampian’ny famoronana eo amin’izy ireo. Mbola ao anatin’ny fivoarana sy fivelarana tanteraka anefa ireo mpikambana ankehitriny, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra, ka azo antenaina ny haha matihanina azy ireo, aoriana kely.

Hetsika maro

Nahitana fankalazana ny Iray volan’ny saripika avokoa manerana ireo ivontoerana ara-javakanto sy kolontsaina nanerana ny Nosy, indrindra ny teto Antananarivo. Misy ny atrikasa sy fampirantiana sahala amin’ny eny anivon’ny Alliance française manerana ny Nosy. Eo koa ny hetsika fampahafantarana ny tanta­ran’io zavakanto io eto Ma­dagasikara. Anisan’izany ny eny amin’ny Musée de la Photographie Anjohy, mampahafantatra ny mahakasika an’i Ramilijaona. Izy izao voasokajy ho rain’ny saripika teto Madagasikara.

Lin

Partager sur: