Ny vary lany laoka, hono, no ratsy fiafara. Hanao ahoana izao famaranan-taona izao? Ora sisa no isaina… Misy ny mpanao politika lany atao na efa tsy misy afitsoka amin’izay ketrehina sy tetehina? Na diso paika ka matim-bela… Dia minia manakorontana fotsiny izao. Izay no ahazoana manatratra izay kendrena? Dia atao ny fomba rehetra… Tsy jerena na heverina izay mety ho vokatry ny ataon’ny tena eo amin’ny raharaham-pirenena sy ny fiainam-bahoaka. Hambom-po politika no manetsika, valifaty politika no manesika… Tsy misy fa nofy ratsy izay hoe fitoniana politika.
Tsy mahagaga raha tsy mety ahita-mangirana firy hatrany ny fiainam-bahoaka. Vao mainka miharatsy no ho ny teo aloha aza… Ny ataon’ny mpanao politika no antony: tsy mahalala afa-tsy ny ho azy, mahavita manao sorona ny fiainam-pirenena… Dia mbola misy karazana olona mandeha anjambany sy hanaiky ho voafitaka amin’izany ihany ve? Efa fantatra izao ny fomban’ny mpanao politika amin’ny fampandriana adrisa, fanaratsiana, fihantsiana… Manginy fotsiny ny fiheveran-tena ho tsy misy toa azy, hany manana ny marina, tsimatimanota…
Amin’izany, zary takalon’aina politikan’ny mpanao politika hatrany ny fiainam-bahoaka: tsy afa-bela amin’ny fahasahiranana, atao fitaovana politika na tohatra fiakarana… Olan’ny mpanao politika hatrany no vahana eto hatramin’izay? Itadiavan’ny sasany fikaondoham-pirenena, itakiana marimaritra iraisana isaky ny mihetsika… Mandra-pahoviana? Mba hisy amin’izay ny fiovana… Tsy inona izay taona vaovao, raha tsy hitondrana fiovana sy fanovana. Vao mainka hihalalina sy ho raiki-tampisaka ny fahazarana sy fomba ratsy tsy ahombiazana, matoa mbola izao ihany hatramin’izao. Alao hery àry mba ho tsara farana, fa ho vaovao indray ny taona.
R. Nd.