Ho fanampiana ireo olona sahirana, mandray an-tanana izany ny “Mozika an-dalambe”. Hetsika iray ahafahana manangona akanjo sy vola ho an’ireo olona sahirana eto Antananarivo.
Notanterahina tetsy amin’ny Carrefour Ankorondrano, ny sabotsy lasa teo, ny “Mozika an-dalambe”. Hetsika fanao isan-taona, rehefa amin’ny vaninandro Noely tahaka izao. Antony nanaovana izany ny ahafahana mizara hafaliana ho an’ireo olona tonga manatrika. Tanjona ny hahafahana manangona fanomezana, toy ny akanjo sy kiraro ary vola, ho an’ny olona tena sahirana.
Tamin’ity taona ity, hetsika fahatelo nataon’izy ireo io fampisehoana io. “Natao intelo izany mba hahafahana manangona vola sy akanjo maromaro ho an’ireo olona sahirana kendrena hisitraka izany”, hoy ny mpikarakara sy mpanorina ny “Mozika an-dalambe”. Ankoatra izay, natao ho an-dalambe ny hetsika mba hahazo ny anjarany avy ny rehetra, na ny mpandalo na ny olona manodidina ilay toerana. Mba hahafahana misarika mpanatrika maro, nasiana mpanakanto maro mifandimby miaka-tsehatra. Ho an’ny seho farany teo, tonga nanafana izany ry Silo, Mashmanjaka, Doozy, Teddy Rakotondrajo sy ny maro hafa. Tonga nanatanteraka seho teny an-tsehatra ihany koa ireo mpanao hatsikana miangaly ny Stand up.
Nisitraka ny tolotra ireo sahirana tetsy Antaninarenina
Nozaraina ho an’ny olona sahirana sy tsy manan-kialofana teny Antaninarenina sy Isoraka ary Ampefiloha ny vola sy akanjo rehetra voahangona nandritra ny hetsika natao ny 14 sy 21 desambra lasa teo. Mbola tsy voafaritra kosa ny toerana misy ireo olona sahirana hisitraka ireo fanomezana azo nandritra ny hetsika natao ny sabotsy teo, raha ny fanazavan’ny mpikarakara. “Misy ny fijerena sy fanadihadiana atao ho an’ireo olona tokony hisitraka izany mba ho ireo olona tena sahirana”, hoy hatrany izy. Fikasan’izy ireo ny hanao ny hetsika isan-taona.
Mino