Asa re fa dia mahavariana ny mahita antsika Malagasy mifampiandry kendry tohina amin’ny fiainana ity. Mahavalalanina ny mahita ilay mifandramatra eny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook. Ny tena zava-doza dia any amin’ny lohahevitra tsy mahasoa no mandany fahana isika mianakavy. Mifampivazavaza sy mifanasa vangy.
Na olon-tsotra na ireo heverina ho manampahaizana sy tomponandraiki-panjakana ambony dia misy mijabaka. Maromaro ireo miditra anatin’ny vela-pandriky ny mpampiady angely sy mpampiady “an-tsena”. Azo lazaina fa very ilay fahendrena maha Malagasy mba tsy hilazana fa toa sanatrian’ny vava “ bado mora ambakaina” avokoa.
Raha ny zava-misy eny anivon’ny fiarahamonina sy ny fiseraserana ana habaka dia tena zary miteniteny foana tsy misy ventiny afa-tsy fifankahalana na fifampihantsiana no hita. Mipetraka ny fanontaniana fa dia nahoana loatra? Efa resin’ilay onjam-piainana ve ka miala vokona amin’izay mifanojo na sendra ny tena? Mahakivikivy ihany ny manombantombana ny zavatra mety hisy.
Hatreto, tsy hita be ihany ny tena fizotry ny andavanandrom-piainan’ny Malagasy. Toa nozarina toloram-potsiny sy mangata-dava. Vokany, mihitsoka ny zanakatidoha ka tsy afaka ny hikaroka, andaniny. Na mba hanohitra sy hihoitra manoloana ny zava-dratsy. Mahantra sy nampahantraina diso tafahoatra tokoa, hany ka ivaivain’ny mpahay manararaotra ilay faharefoana.
Vao manomboka izao ny taona, andrasana izay fiovana! Ilay tena izy mitondra ho amin’ny tsaratsara kokoa anefa fa tsy ilay fiovana kobaka am-bava sy ravindravina an-tentina fotsiny. Ilay sahy mijoro ho mpanatsara fa tsy ry mpanara-drenirano mora ambakaina. Ilay fitaratra eny anivon’ny fiarahamonina fa tsy ilay tia kely mpanalokaloka ny tokony ho anjaran’ny besinimaro.
r.r