Tanteraka ny vina: Nivoaka tokoa ny « Valihan’Ikaky »

Niavaka ny nanombohana ny taona 2025. Nampa­hafantarina sy naseho, omaly, teny amin’ny foiben’ny toeram-pikarohana sy fampianarana momba ny mozika, Valiha Académie (Itaosy) ny fivoahan’ilay boky « Valihan’Ikaky » laha­rana voalohany. Boky ahitana fizarana telo miavaka tsara. Fizarana voalohany, maneho ny momba ny valiha mala­gasy. Fizarana faharoa, ny solfezy ary ny fizarana fahatelo, ny fampiharana ny solfezy amin’ny fitendrena valiha.
Raha ny fantatra, angon-traikefa tao anatin’ny taona maro no hita ao anatin’ny Valihan’Ikaky. Anisan’ny mampiavaka ny boky io, satria, mbola maro ireo sakana tsy ahafahan’ny Malagasy mahafantatra sy mitia ny valiha, raha ny fanazavan’ny mpanoratra. Na izany aza, amin’ny maha fampianarana zavamaneno manaraka ny rafitra sy ny fomba iraisam-pirenena azy, tazana ao anaty boky ny fomba fianarana sy famolahana ny solfezy.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: