Famoahana boky : Ho maro saingy anatin’ny tsy fanarahana lamina

Manomboka mampahafantatra ny vina 2025 ny mpanakanto. Anisan’ny misongadina amin’izany
ny famoahana boky sy ny sanganasan’izy ireo. Tsy ny mpanoratra ihany fa saika ahitana an’io
avokoa ny kanto ankapobeny.

Hamoaka boky izahay! Io ny ankamaroan’ny vina na dingana hotantera­hin’ny tontolon’ny kolontsaina amin’ity taona 2025 ity. Ireo mpanoratra hamoaka ny sanganasany (tononkalo, tantara…). Ireo mpanao sary handraikitra an-tsoratra ny lalana nizorany. Hamoaka boky momba ny fampianarana fa­naovana sary hosodoko. Ireo mpampianatra zavamaneno, hamoaka boky fianarana za­vamaneno amin’ny fomba tsotra. Ny mpanao asa tanana, hamoaka boky momba izany, sns. Azo antoka, ho maro be ny boky hivoaka amin’ity taona 2025 ity. Hisy ny tsy ampoizina ny voarakitr’ireny.
Saingy, ny ankamaroany, tsy hanaraka ny lamin’ny rohim-boky, satria, mbola tena vitsy dia vitsy ny mahalala ny momba azy io. Miainga eo amin’ny mpanoratra, mandalo ny editora, mizotra any amin’ny trano printy, mivoaka eny amin’ny fivarotam-boky, tonga eny ampelatanan’ny mpamaky.

Izahay ihany no manonta ny bokinay

Efa nanome ohatra sarotra fafaina ireo mpanoratry ny taona 80 sy 90 ary ny ankehitriny. Tsy mandalo amin’ny rohim-boky. Miainga eo aminy (mpanoratra) ilay sanganasa, eny amin’ny mpamaky na ny mpanjifa avy hatrany. Raikitra ny dom-baravarana sy ny tohon-tsofina ary ny fampahafantarana any amin’ny tambanjotra samy hafa fa nivoaka hono ny boky tahaka izao… Nahazo laka ny « izahay ihany no manonta ny bokinay ».
Mbola mila ampahafan­tarina sy ampianarina ireo vonon-kanoratra ny fisian’ny rohim-boky sy izay momba azy ma­nontolo. Hatramin’izao, mbola manjavozavo be amin’
ny « mpanoratra » (tompona sanganasa) izy io. Maro ireo milaza fa « sarotra sy maha be raharaha ny fanarahana rohim-boky. Mety hiakatra be ny vidim-boky raha manaraka an’io. Mety ho ny hafa indray no hahazo tombony noho izahay mpanoratra… ».
Mila atao laharam-pahamehana ny fampahafantarana amin’ny antsipiriany ny andraikitr’ireo sampandraharaha mandrafitra ny rohim-boky ireo.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: