Cité des Cultures: nahaliana ny mpanatrika ny «Sabotsy … Hizara Kanto »

Hetsika vaovao, anisan’ny tsara ho an’ny mpisehatra eo anivon’ny zavakanto rehetra ny « Sabotsy… Hizara kanto ». Hitohy ary hifantoka amin’ireo lohahevitra mamoaka ny mararin’ny zavakanto ny hetsika, araka ny nambaran’ny mpikarakara.

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Cité des Cultures An­tani­na­renina, ny « Sabotsy… Hizara Kanto ». Hetsika ahitana velakevitra sy valandresaka hiresahana manodidina ny zavakanto. Ny Cité des Cul­tures sy ny fikambanana Fehi­kanto no mikarakara ny hetsika. Mpanakanto matihanina sy mpisehatra eo anivon’ny zavakanto maro samihafa kosa no mandray anjara. Isaky ny sabotsy voalohany amin’ny volana no hanatanterahina izany. Nandray anjara ho an’iny andiany voalohany iny : Ponk, Vitou Razafitrimo, Dina Mitia Rabearivelo, Dwa, Felana Rajaonarivelo ary Dieu Donné Razafinjatovo. Tanjona ny hitondra fanatsarana eo amin’ny zavakanto eto Mada­gasikara. Ambohipihaonan’ny fianakaviamben’ny zavakanto ny teny amin’ny Cité des CulturesAntaninarenina, ny sabotsy teo. Ankoatra ny fanehoan-kevitr’ireo mpiantsehatra eo amin’ny zavakanto nasaina manokana, fotoana nahafahan’ ireo olon-tsotra tonga nanatrika ny nametraka fanontaniana ihany koa izy ity. Nisongadina tamin’izany ny fanehoan-kevitra fa tsy hita izay hamaritana ny toeran’ny zavakanto eto Madagasikara, amin’ny ankapobeny.
Misongadina ireo zavakanto malagasy rehefa mandray anjara amin’ny fifaninanana any ivelany. Tsy hita taratra akory anefa izy ireny raha eto an-toerana. No­tsindrin’ireo mpiantsehatra eo anivon’ny zavakanto ihany koa fa mbola malalaka ny tsenan’ny zavakanto eto Mada­gasikara saingy sarotra ny mitrandraka azy.
Anisan’ny antony mahatonga izany rehetra izany ny tsy fahampian’ny fanabeazana ny Malagasy eo amin’ny tontolon’ny zavakanto. Eo ihany koa ny tsy fisian’ny fepetra sy sivana ho an’ny mpanakanto ka midongy ho mpanakanto avokoa ny rehetra, manimba ny hasin’ilay zavakanto izany.

Lin

Partager sur: