Fanaovana vaksiny BCG: ho avy tsy ho ela ny fitaovam-panindromana manokana

Tsy manakana ny fanohizana ny fanatanterahana ny vaksiny hafa rehetra tokony hositrahin’ny zaza ny tsy mbola fisian’ny fitaovam-panindromana eny amin’ny CSB.

“Efa ho avy tsy ho ela ny fitaovam-panindromana ilaina amin’ny fanaovana ny vaksiny BCG tokony hataon’ny zaza vao teraka ka hatramin’ny iray volana ahaterahany. Misy sy ampy ny tahirim-baksiny fa io fitaovana io no nisy olana ara-pamatsiana hatrany amin’ny mpanamboatra azy ka niteraka ny tsy fahafahana manao ny vaksiny teny amin’ny tobim-pahasalamana tato ho ato”, hoy ny namba­ran’ny talem-paritry ny Fa­hasalamam-bahoaka eto Ana­lamanga, dokotera Rakotoa­rivony Manitra, omaly. Fi­tao­vana manokana no ilaina hanindromana satria tsy maintsy eo amin’ny “peau d’orange” amin’ny tanana no hanaovana ny vaksiny. Azo atao foana ny vaksiny BCG amin’ny fotoana ahatonga­van’ny fitaovam-panindromana fa tokony hotohizana avokoa ny vaksiny hafa rehetra andiany enina mialoha ny faharoa taonan’ny zaza.

Vaksiny voalohany ny ranom-batsy
“Zava-dehibe koa ny vaksiny voalohany maimaimpoana entin’ny ranom-batsy avy amin’ny nonon-dreny eo am-pahaterahana miaro ny zaza avy hatrany amin’ny otrikaretina samihafa”, hoy ny fanamarihany. Tohizana hatra­min’ny fahenim-bolan’ny zaza ny fanomezana ny no­non-dreny tsy misy fangarony hampatanjaka ny zaza. To­kony hanao fampilazana ny reny vao teraka ny toeram-piterahana rehetra momba ny vaksiny BCG sy ny toromarika momba ny fanohizana ny vaksiny hafa miaro ny zaza amin’ny aretina 11. Tsy voatery miandry ny fahavitan’ny vaksiny BCG vao hiroso
amin’ny vaksiny hafa fa vao feno iray volana sy tapany ny zaza dia atao ny andiam-baksiny faharoa.
Mbola manohy ny vaksiny BCG ireo toeram-pitsaboana manana tahirim-pitaovana fanindromana manokana. Tsy eto an-dRenivohitra ihany no manana olana amin’ny fama­tsiana ilay fitaovana fa manerana ny Nosy sy amin’ny firenena maromaro.

Vonjy A.

Partager sur: