Tapitra ny 30 desambra teo ny fihibohana natao tamin’ireo mponina tao amin’ny fokontany Androhibe, kaominina Ampanotokana, distrikan’Ambohidratrimo. Efa afaka mifamezivezy ny mponina satria voafehy ny aretina izay nampiahiahy toy ny trangana pesta ka nahafaty olona dimy tao an-toerana. Nisy tamin’ireo mpivady… Afaka misokatra, araka izany, ny sekoly amin’ny fidiran’ny mpianatra eo raha ny fanazavana avy any an-toerana.
Efa salama ihany koa ireo olona dimy hafa narary ka narahi-maso tao amin’ny tobim-pahasalamana, araka ny vaovao nampitain’ny tompon’andraikitra any an-toerana.
Nisy ny fitiliana ahafahana mamantatra ny fototr’aretina niteraka fahafatesana tany an-toerana. Rehefa nanontaniana ny lehiben’ny dokotera any an-toerana dia tsy nety nanambara ny vokatry ny fitiliana. Miteraka ahiahy amin’
ireo mponina any an-toerana anefa ny trangan-javatra na dia tsy nahitana fivoarany intsony aza. Hatreto, tsy mbola fantatra mazava ny tena aretina nahafaty ireo fianakaviana tao Ampanotokana.
Tatiana A