« ODD à travers l’Arts- Madagascar »: Malagasy mpanakanto 17 nandray anjara

Nifarana omaly, teny amin’ny Radisson Blu Ambodivona, ny «ODD à travers l’Arts- Madagascar». Hetsika karakarain’ny Galerie ZeeArts avy any Dubaï, miaraka amin’ny Commission de l’Océan Indien (COI) sy ny Rotary Club Antananarivo Ivandry. Malagasy mpanakanto misehatra amin’ny fanaovana sary miisa 17 nandray anjara tamin’ny hetsika. Atri­kasa sy fampirantiana no nandravaka izany nandritra ny roa andro. Tanjona amin’ny ankapobeny ny hanabeazana sy hampandraisana anjara ny mpanakanto amin’ny famadihana ny zavakanto ho fitaovana afaka ampiasaina ahafahana manatratra ny “Agenda 2030”. Misy kosa ny tanjona manokana ho an’ny eto Ma­dagasikara, ny hampihenana ny olan’ny rano mahazo ny Malagasy indrindra ny eto Antananarivo.
Ambohipihaonan’ireo Ma­la­gasy mpanakanto miantsehatra amin’ny fanaovana sary ny “ODD à travers l’Arts- Madagascar”. Firenena faha-13 nandray ity tetikasa fampandraisana anjara ny zavakanto manoloana ny fampandrosoana lovainjafy ity i Ma­dagasikara. Omaly, nanaovana ny varotra fampirantiana ny sanganasan’ireo mpanakanto 17 nandray anjara. Ny vola azo amin’izany, hoentina hamatsiana vola ny fananganana fatsakana maro ho an’ireo toerana saro-drano eto Antananarivo.
Mpanakanto malaza
Mpanakanto efa manana ny lazany amin’ny fanaovana sary avokoa no nandray anjara tamin’ny hetsika. Anisan’ izany i Maherisoa Rakoto­malala, Clipse Teean, Arilala Ophélia Ralamboson, Rabea­rivelo Dina, Felana Rajao­narivelo. Nahitana ihany koa an’i Michel Randria, Natoa Rasolonjatovo, Taraoo Ra­narison, Finoana Ratovo Andriantseheno, Miangaly Elia Andriantsoa, Benjamin Raharikaona, Andri Marcel, Mahefa Rasamuel. Miampy an’i Gerard Ramia Domeni­chini, Haintsoamalala, No­menjanahary Hachlair ary Razafindralambo Jean Nirina.

Lin

Partager sur: