Madagascar Mozarteum: hosokafan’i Jino Ramanambohitra ny sehatra

Fanombohana miavaka! Amin’ny alalan’ny hakanton’ny feon-gitaran’i Jino Rama­nambohitra no hanokafan’ny Madagascar Mozarteum ny seho karakarainy isaky ny «Dimanche clasique». Tafi­ditra ao anatin’ny fanombohana ny fankalazana ny faha-15 taonan’ny Mozarteum ity an­diany faha-18 ity. Fampise­hoana an-tsehatra hotanterahina ao amin’ny Alliance Française d’Antananarivo Andavamamba (AFT), ny 12 janoary izao, manomboka amin’ny 4 ora tolakandro ka hatramin’ny 5 ora hariva. Ny sanganasan’ireo mpamorona anisan’ny «ngezalahy» maneran-tany eo amin’ny tontolon’ny mozika klasika no hoten­dreny amin’izany. Anisan’ ireny ny an’i Schubert, Tar­rega, Liobet, Gardel, Barrios Mangore, Albeniz.
Raha tsiahivina, iray amin’ ireo tanora manan-talenta sy nandalina ny fitendrena gitara i Jino Ramanambohitra. Efa misehatra eo amin’ny tontolon’ny fampianarana rahateo izy. Ankoatra ireo sehatra maro efa nanehoany ny fahaiza-mifehy ny gitara, efa nanatanteraka fihaonana sy fifanakalozana traikefa nahaliana olona maro ihany koa izy. Iray amin’ireny ilay atrikasa gitara: «Fifandraisan’ny mozika gitara klasika sy bagasy», notanterahina ny faramparan’ny taona 2024. Tsy misy vidim-pidirana ity fampisehoana ity. Anisan’ny ezaka lehibe tanterahin’ny Madagascar Mo­zarteum rahateo ny hampitombo hatrany ny fitiavan’ny Malagasy ny mozika klasika.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: