Barea Chan: tazana nanao fanazarantena i Drogba sy ireo mpilalao taloha

Roa taona aty aoriana! Tafaverina anatin’ireo mpilalao hotsongaina handrafitra ny ekipa nasionaly Barea, hiatrika ny “Chan 2024”, i Fanomezantsoa Tsilavina na i Drogba. Niakatra ho 35 ireo mpilalao hanaovana fitsapana amin’izany.

Notontosaina nanomboka omaly, tetsy Maha­masina, ny fampivondronana voalohany tamin’ity taona vaovao ity, ho an’ny ekipam-pirenena malagasy tsy misy mpilaravinahitra, Barea Chan. Miisa 35 mirahalahy izy ireo no tonga teny an-toerana ary tazana niverina ao anatin’izany i Fanomezantsoa Tsi­lavina na i Drogba, lohalaharan’ny Disciples FC Vakinan­karatra.
Tsiahivina fa ity mpilalao ity, efa voaantso tao anatin’ny ekipa nasionaly teo aloha, saingy noho ny olana nisy teo aminy sy ny mpanazatra, tsy niatrika ny “Chan 2022”, natao tany Algerie, ny tenany. Ankoatra an’i Drogba, hita na­natevina ity fanazarantena ity ihany koa i Doddy kely sy i Onja, mpilalao irakiraky ny Elgeco Plus. Anisan’ireo mpilalao nitondra avo ny Barea, tamin’ny “Chan 2022” moa izy roa lahy ireto.
Marihina fa mbola hotilina avokoa ireo mpilalao 35 mirahalahy ireo, mba hamoahana ny lisitra ofisialy. Hitohy hatrany moa ity fanomanantena tarihin-dRakotondrabe Romuald Felix na Coach Rôrô, ity. Ampaha­fan­tarina ihany fa hanao lalao ara-pirahalahiana efatra, roa eto an-toerana sy roa any ivelany, ny Barea, mialoha ny fifanintsanana “Chan 2024”, hatao ny 1 -28 febroary ho avy izao, any Kenya sy Tanzania ary Ou­gan­da.

Fitia Randria

Partager sur: