Afaka iray volana sy tapany raha ela indrindra: « Tsy maintsy ahena 750 Ar ny kapoakan’ny vary hafarana »

« Tsy maintsy atao izay hampihena ny vidim-bary ao anatin’ny iray volana sy tapany raha ela indrindra, araka ny toromarika nomen’ny filoham-pirenena malagasy nandritra ny filankevitry ny minisitra, omaly ».

Ampidinana hatrany amin’ny 750Ar ny kapoaka ny vary hafarana ka hiara-hiasa amin’ireo mpanafatra ny fitondram-panjakana, araka ny torimarika napetraky ny filoham-pirenena Rajoelina Andry, omaly. Hisy ihany koa ny fepetra apetraka ho an’ny vokatra avy eto an-toerana ka « tsy tokony hihoatra ny 1 000Ar ny kapoaka ny vary makalioka raha toa ka misy mivarotra ho 1 200Ar izany eto amin’ny faritra Analaman­ga», hoy ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra, Ralam­bofiringa David. Notohizany fa mbola ampy hatramin’ny fiakaran’ny vokatra amin’ny volana aprily ny vokatra eto an-toerana. Na izany, mbola manohy ny fanafarana ny vary avy any ivelany isika mha hitohizan’ny fidian’ny tolotra amin’ny vidiny mora. Nohaza­vaina nandritra izany ny lalam-bokatra avy eto an-toerana mialoha ny hatongavan’izany eny amin’ny mpaninjara izay mampiakatra ny vidim-bary eny an-tsena. « Na izany, tokony hapetraka ny tombony ara-drariny ary mila mifampitsinjo ny Malagasy », hoy ha­trany ny filoham-pirenena.

Fanamby
Tanjona ny hamokarana vary akotry hatrany amin’ny 1 tapitrisa taonina amin’ity taona ity hahatrarana ny fahavitan-tena ara-bary. Hanohana sy hizara masomboly ho an’ny tantsaha hampiasana ny masomboly tsara kalitao ireo mpiara-miombon’antoka samihafa. Tafiditra ao anatin’izany ny voly vary safiotra (riz hybride), izay hampitombo avo roa heny ny famokarana. Izany hoe, manodidina ny 7 ka hatramin’ny 12 taonina isaky ny hektara ny voka-bary ho azo. Ankoatra izay, hapetraka manerana ireo faritra 14 mpamokatra vary betsaka eto Madagasikara ireo ozinina mpamokatra sy mpanodina zezika. Hapetraka ihany koa ny banky ara-tsakafo omena tantsaha mba hahafahan’izy ireo manarina ny vokatra ataony manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny loza voajanahary.

Henintsoa Hani

Partager sur: