Delestazy: ho vita mandritra ny taona 2025 ny vahaolana

« Mandoro vola isika », hoy ny filoha Rajoelina, nandritra ny filankevitry ny minisitra, omaly teny Iavoloha. No­hazavainy fa, satria lany hanampiana ara-bola ny orinasa Jirama ny volam-panjakana, tokony hampandrosoana ny vahoaka. Vahaolana haingana sady maharitra ny fampiasana ny angovo avy amin’ny masoandro, mitotaly 100 MW fanampiny ho an’ny tambajotra RIA, ka 50 MW eto Antananarivo, 50 MW ho an’ny manodidina (Ampita­ta­fika, Imerintsiatosika, Ibity Antsirabe). Eo koa ny fananganana foibe herinaratra 105 MW, mandeha amin’ny solika mavesatra (HFO) eny Ambo­himanambola. Izany hoe, ma­nodidina ny 250 MW ny fitambaran’ny herinaratra fanampiny.

Nitatitra ny tetiandro ha­naovana ny asa ny minisitry ny Angovo, Olivier Jean Bap­tis­te. Ho vita amin’ny marsa na avrily 2025 ny eny Amba­tomirahavavy, raha amin’ny mey na jona 2025 kosa ny fahatelo, eny Ampangabe sy Ilafy. Eo koa ny any amin’ny faritra manana tanjaka 5MW tsairairay avy, mitotaly 50 MW.
Tetezana RN2 miisa 13 hamafisina
Hanampy ny famokarana herinaratra koa ny foibe vaovao hatsangana eny Ambohi­manambola, manana tanjaka 105 MW, izay hihodina amin’ny jona 2025. Efa tonga eto Antananarivo sy Toamasina, ny milina maro, ary an-dalana ny sambo mitatitra ny fitaovana vaventy alternatera miisa fito. Mavesatra ireo fitaovana vaventy ireo, ka tsy maintsy hamafisina amin’ny tetezamby ny tetezana miisa 13 amin’ny lalam-pirenena RN 2.

Njaka A.

Partager sur: