Halohalika ny ranom-bary

Vita izay ny kifetifety. Efa miasa sy miverina amin’ny laoniny ny andavanandro. Taona vaovao mandalo sedra sy fanamby maro. Ny politika, tsy hita izay ilazana azy. Miandry am-pitoniana ny voka-pifidianana avy amin’ny Tribonaly misahana ny ady atao amin’ny fanjakana. Miankina amin’izay ny ho fivoaran’ny toe-java-misy eto amin’ny firenena. Efa manambanambana krizy hafahafa.
Mifanindran-dalana amin’izany, misy ny krizy goavana lalovana. Mitaky vahaolana haingana sy mahomby avy amin’ny olom-pirenena tsirairay izany: ny fahamaizan’ny tanety. Mampiaiky volana ny fisehoany. Tampoka teo, niara-nirehitra ny faritra maro. Sarotra ny fifehezana ny afo. Ripadripaka ny hazo sarobidy, ringana tsy fidiny ny biby tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara. Malaza ratsy ny firenena kanefa anatin’ny vanim-potoana fivarotana ilay “destination Madagascar”.
Zava-dehibe ny fampijoroana ilay komity manokana miady amin’ny afo. Mendri-piderana ny finiavana. Ny indrokely, tsy aty an-dRenivohitra no tena ilana izany. Tsy leran’ny kivorivory izao fa asa avy hatrany. Fidinana ifotony no tsy maintsy atao.
Fotoan’ny firaisankinan’ny governemanta izao. Aiza ny helikoptera? Tsy hitahita sy tsy henoheno ny avy amin’ny Tafika Malagasy izay manana adidy amin’ny ady amin’ny doro tanety. Tafiditra anatin’ny fiarovam-pirenena izany. Elaela tsy tazana ny angidimby, asa sao mba anisan’ireo may teny Ivato, tamin’ny firehetan’ny seranam-piaramanidina ihany aza? Mipetraka ny fanontaniana, inona no sakana tsy ampiasana izany kanefa efa an-dohalika ny ranom-bary. Mila vonjy voina tena hamehana…

r.r

Partager sur: