Fampiroboroboana ny harinkarena faobe: vinavinaina hiakatra 5% amin’ity taona 2025 ity

Manomboka miarina ny harinkarena malagasy amin’izao fotoana. Vinavinaina hiakatra 5% izany ho an’ny taona 2025 raha toa ka 4,4% tamin’ny taona 2024. Anisan’ny firenena nanana tahana harinkarena faobe ambony i Madaga­si­kara tamin’ny taon-dasa raha ampitahana amin’ny sa­lanisan’ny Afrika Subsaha­rienne, izay 3,6%. Ho anisan’ireo sehatra handray anjara amin’ny fampiroboroboana ny harinkarena amin’ity taona ity ny sehatry ny fambolena, amin’ny alalan’ireo fanavaozana samihafa napetraka. Anisan’ iza­ny ny fanalalahana ny sehatry ny fifandraisan-davitra ary ny fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany. Noho izany, maherin’ny 7,8% ny tahan’ny fiakaran’ny sehatra voalohany. Hihoatra ny 8,9% ihany koa ny vokatry ny jono ho an’ny taona 2025, izany hoe, hampakarina 220 000 t ny vokatra ho an’ity taona ity raha 202 000 t ny taona 2024. Hihoatra ny 4% ihany koa ny fitomboan’ny sehatra faharoa misy ny harena an-kibon’ny tany sy ny famokarana lamba. Hiantoka ny fampiroboroboana ny harinkarena faobe mandritra ny taona 2025 koa ny sehatry ny fanamboaran-dalana sy ny trano izay maherin’ny 3,6%, eo ihany koa ny sehatry ny fizahantany sy ny toeram-pisakafoana izay hihoatra ny 14,9%. Tafiditra ao anatin’izany ny fifandraisan-davitra, tombanana hihoatra ny 13,7%. Ireto farany izay samy ao anatin’ny sehatra fahatelo sy nametrahana paikady manokana ho fampiroboroboana ny toekarena eto an-toerana.

Henintsoa Hani

Partager sur: