Kolontsaina isam-paritra: mila omena lanja ny haren’ ny fahasamihafana

Efa misy ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny fahasamihafan’ny kolontsaina (JMDC). Fanapahan-kevitra ahatarafana fa mila omen-danja ny kolontsaina tsirairay mba hisian’ny lamina tsara petraka ao anaty fiarahamonina.

Ho an’ny mpandinika momba ny fifandraisana sy fifamatoran’ny kolontsaina sy ny fiarahamonina: « voajanahary ho an’ny zavaboahary ny fahasamihafana”. Noho izany, mila omena lanja lehibe tokoa. Napetraky ny Firenena mikambana fa ny 21 mey no Andro maneran-tany ho an’ny fahasamihafan’ny kolontsaina. Midadasika i Madagasikara. Misy foko na mponina samy manana ny kolontsainy. Raha ireo no tomorina akaiky, harena ny fahasamihafan’ny kolontsaina isam-paritra (anatina firenena iray na eo anivon’izao tontolo izao).
Fomba fijery somary misokatra kokoa no ilaina manomboka eto. Na izany aza, miteraka fifandonan-kevitra ao anatin’ny fiarahamonina na eo amin’ny samy firenena izy io. Tsy vitsy ireo fatra-pitazona ny kolontsainy ka mikobona irery izany mba tsy ho « voaloton’ny an’ny hafa ». Mahasarotiny azy ireny ny fikitihan’ny olon-kafa ny kolontsainy. Maro ny mety ho voaota fady, raha ny fandinihan’ity sokajim-piarahamonina iray ity.
Tsy mifandonto sy mila mitandrina fatratra

Mifanohitra amin’izay kosa anefa ny fihevitry ny tazana eny amin’ny fiarahamonina sasany. Tsy apetraka amin’izao fotsiny ny kolontsaina fa fanohitra hoenti-mampandroso ny toerana sy ny mpiara-belona ao aminy. Ho an’ireto sokajim-piarahamonina ireto, azo atao tsara, ohatra, ny misarika mpizahatany marobe amin’ny alalan’ny fanatanterahana fomban-drazana. Ho an’ny Malagasy, ao ny famadihana, fora zaza, fampakaram-bady…
… Hatramin’izao, anefa, mbola misy ihany ireo tranga mitaky fitandremana fatratra. Voizina matetika, ohatra, ny hoe « iray ihany ny Malagasy ». Ahoana ny fipetrak’io manoloana ny fahasamihafan’ny kolontsaina? Hodian-tsy hita ve?…
Faharoa, tafiditra ao anatin’ny paikady hoentin’ny firenena matanjaka hanjanahana (na hamotehana) ankolaka ny fampifangaroana ny kolontsain’izy ireo amin’ny an’ny firenena osa. Jerem-potsiny satria « harena ny fahasamihafana »?

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: