Tamin’ny alalan’ny Afatra (Antoko mpihira Fifohazana Ambatonakanga Tranovato), avy ao amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga, lasa toeram-piderana ho an’ny fetin’ny Epifania ny ao Ambatonakanga. Nanomboka ny taona 2014, tsy nitsahatra nanolotra antsan’ny Epifania ny Afatra. Epifania, ankalazaina isaky ny alahady faharoa aorian’ny Krismasy.
Ny alahady 12 janoary izao, hanolotra ny amboaran-kira Epifania ho an’ny taona 2025 ny Afatra. Ankoatra ireo hira amin’ny teny malagasy sy teny vahiny, te hampahafantatra ny fomba fankalazana ny Epifania any amin’ny firenena vitsivitsy ity antoko mpihira ity, ka nahatonga ny lohatenin’ny seho ho «Epifania maneran-tany». Ankinina amin’ny Filazantsara araka ny Lioka 2: 14 b «Ary Fiadanana ho ety ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany».
Anisan’ny hira hasandratra mandritra izany ny «Emmanuel» (Chris Christensen) (Soisa) «Hloholonofatsa» (Lucas BOK) (Afrika Atsimo), «Born is the Light of the world» (Sally Deford) (Firenena amerikanina) , « Как Ты велик » (Simon Khorolsky) (Rosia), «Sambasamba Zanahary» (Madagasikara),
HaRy Razafindrakoto