Valanjavaboaharin’i Ranomafana: « Tsy maintsy ho faty ny afo », hoy ny minisitra Andonirina Max Fontaine

Nanamafy ny minisitra Andonirina Max Fontaine tany Ranomafana, fa tsy maintsy ho faty ny afo ao amin’ny valanjavaboahary. Hosaziana mafy tsy misy indrafo koa izay nanao ny heloka.

Nidina ifotony, nijery ny famonoana ny afo any amin’ny valanjavaboaharin’i Ranomafana, ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), Andonirina Max Fon­taine, omaly. Nankahery ireo rehetra mandray andraikitra, mamono ny afo ny tenany, izay efa maherin’ny 2 000. Koa, nanolotra omby iray ny tenany sy ny solombavambahoaka voafidy tany Ifana­diana, ho fankaherezana azy ireo. Fa zava-dehibe ihany koa ny fanomezana fitaovana hanafainganana ny famonoana ny afo, toy ny motopompe iray hitrohana rano, angady miisa 50, sns. Nanome toky ireo vahoaka tany an-toerana fa tsy maintsy ho faty ny afo. Marihina fa manodidina ny 50 ha ny ala efa may.
Efa natsangana any an-toerana ny Komitim-paritra mitantana ny fibaikoana amin’ ny ambana sy ny loza (CRCO), mandrindra ny hetsika famonoana ny afo. Ahitana ny sampandraharaham-panjakana, ny BNGRC, ny Medd sy ny Dredd, ny mpitandro filaminana, ny prefektiora, ny depiote, ny distrika, ny kaominina, sns. Manampy ireo koa ny mpiara-miombon’antoka, toy ny Ma­dagascar National Parks (MNP), mitantana ny valanjavaboahary sy ireo fikambanana iraisam-pirenena manohana ny fiarovana ny tontolo iainana any an-toerana.

Hosaziana mafy
Nitsotra ny minisitra An­donirina Max Fontaine fa tsy mora ny famonoana ny afo. Satria mafana ny andro, mi­tsoka ny rivotra, sarotra ny lalana, miantraika amin’ny fa­hasalamana ny setroka, sns.
Nohamafisiny fa fahita manerana ny faritra 24 ny doro ala, ka hatao ohatra ho an’ny hafa ny fiaraha-mien­tan’ny rehetra toa izao. Tsy maintsy karohina ireo nahavanon-doza nanao ity heloka ity. Hampiharina ny sazy henjana indrindra ary tsy hisy ny indrafo. Tsy azo ekena ny zavatra nataon’ny olona iray na vitsy, nefa olona an’arivony no voatery mihetsika mamono ny afo.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: