Nisokatra omaly ny taom-pikatrohana 2025, ho an’ny taranja karate. Fampivondronana ireo mpikatroka eo amin’ny sokajy Cadets, Juniors ary Seniors no nanombohana ny taona, ka karatékas 121 no mivondrona etsy amin’ny Akademia nasionalin’ny spaoro (ANS) Ampefiloha. Fampivondronana izay hitohy hatramin’ny alahady 12 janoary izao. Nambaran’ny filohan’ny Federasionin’ny Karate-do malagasy, Ratefinanahary Émile, fa zava-dehibe ny fiatrehana ny fampivondronana noho izy hahafahana mamoaka izay handrafitra ny ekipa nasionaly. Ireo mpikatroka 4 mendrika indrindra nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara 2024 no miatrika ity fampivondronana ity ka mbola handalo sivana sy fanadinana maro izy ireo. Fampivondronana 4 izay hahazoana isa 50 avy no hatrehin’ny mpikatroka, araka ny fanazavana.
Mi.Raz