Barea de Madagascar: “Sarotra ho an’ny Federasiona ny manendry ny mpanazatra… ?”

Mifamahofaho tanteraka ny resaka ankehitriny, mahakasika ny fanendrena ny mpanazatra hitondra ny ekipam-pirenena malagasy, Barea de Madagascar. Mbola baraingo hatrany ny resaka, ny volana marsa efa akaiky.

Herinandro mahery izay no lasa. Hatramin’ny omaly, tsy mbola na­moaka fanambarana ofisialy mahakasika izay ho mpanazatra hitondra ny ekipam-pirenena malagasy, Barea de Mada­gascar, ny eo anivon’ny Fede­rasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). “Sarotra ho an’ny federasiona ny manendry ny mpanazatra hitondra ny Barea? ”. Raha ny fantatra ankehitriny, roa tamin’ireo dimy teknisianina sisa tavela no hanaovana sivana, hoy ilay loharanom-baovao iray ao amin’ny FMF.
Anisan’izany i Antony Da Silva, teratany portigey, sy i Corentin Martins, frantsay. Ankoatra izay, efa niparitaka tao anaty tambajotran-tseraseran’ny Afrik Foot, omaly, ny anaran’ireo telo ambiny, ma­ha­feno ity lisitra ity ho dimy. Nilaza ny lehiben’ny federasiona, Randriama­nampisoa Alfred, fa efa miakatra ho raharaham-pirenena, ny fa­nendrena ny mpanazatra ny ekipa nasionaly, ka mandray andraikitra ao anatin’izany ny fanjakana. Marihina fa mbola dinihin’ny fanjakana malagasy ihany koa ny fandoavana ny karaman’ilay mpanazatra vaovao hitondra ny Barea.
Mahatalanjona ihany ity resaka ity, tsy andrenesana feo mihitsy ny fivoaran’ny toe-draharaha, nefa ekipam-pirenen’i Madagasikara no resahina. Rariny sy hitsiny raha tokony hampahafantarina ny Malagasy ny vaovao rehetra mahakasika izany.
Roa volana sisa

Mbola ao anatin’ireo firenena tsara toerana hanao ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany i Madagasika­ra. Mitana ny laharana fahatelo ao amin’ny vondrona “I” ny Barea. Tsiahivina fa ny volana marsa ho avy io, hifandona amin’i Centra­frique sy i Gha­na, ny Barea de Madagascar. Araka izany, roa volana sy andro vitsy eo sisa ny fotoana ananan’ity rafitra federaly ity, hilazana ny anaran’ilay teknisianina vaovao hitondra ny Barea “A”.

F.R

Partager sur: