Hitohy ny 16 febroary ho avy izao, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny lalao sakana hahafantarana izay hanao ny manasa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, XXL Top 12, taranja Rugby. Anisan’ireo klioba hiatrika izany, ny TFMA Ankasina, ny Tam Anosibe sy ny Uscar, ary ny TFA Anatihazo. « Vonona tanteraka ny mpilalao sy ny ekipa rehetra, hanala vela amin-dry zareo Tam Anosibe », hoy Rakotoniaina Fidelis na ny Coach Loda, mpanazatran’ny TFMA Ankasina, ekipa izay fantatry ny maro amin’ny hoe : « XV Flèches na boay kely manohitra ».
Notsiahivin’ity teknisianina ity fa resin-dry zareo avy etsy Anosibe, tamin’ny isa, 24 no ho 19, ny ekipan’Ankasina, tamin’ny fifanintsanana ady laharan’ny Top 12.
Nambarany ihany fa hiezaka izy ireo ny hanarina ny lesoka rehetra hita nandritra ny taona 2024 lasa teo iny. Anisan’ izany ny fanamafisana ny tosika « avant » sy ny fanafainganana ny famoahana sy ny filalaovana ny baolina, ary ho hampitomboana koa ny resaka taktika. Raha tafakatra amin’ity moa ny TFMA, ny FTM Manjakaray, tompondakan’i Madagasikara farany teo no hifandona amin-dry zareo. Tsara marihina fa ny FTM sy ny Cosfa miaramila, miandry manasa-dalana avy hatrany, noho izy ireo nahazo ny laharana roa voalohany nandritra ny fifanintsanana voalohan’ny XXL Top 12.
Fitia Randria