Manitriniaina Steve Princy: “Maro karazana ireo kiraro filalaovana baolina kitra ankehitriny”

Tsy mitsahatra ny mivoatra ny taranja baolina kitra, amin’izao fotoana izao. Manana ny fitaovana mampiavaka azy anefa ny sehatra tsirairay amin’izany. Anisan’izany ny kiraro na “godasse”.

Maro amin’ireo mpankafy sy mpilalao baolina kitra, eto an-toerana, no mbola tsy mahafantatra ireo karazana kiraro “godasse”, amin’izao fotoana izao. Manazava ny resaka mahakasika izany i Manitriniaina Steve Princy, mpanabe sy mpanazatra ao amin’ny klioba AFA Analakely, sady mpandraharaha tompon’ny fivarotana fitaovana ara-panatanjahantena PK Store, omaly, tetsy Analakely.

Gazety Taratra (+) : Inona avy ireo karazana kiraro na “godasse” misy amin’izao fotoana izao ?
Princy (-) : Misy karazany maro ny kiraro “godasse” filalaovana baolina kitra, ary mi­ankina amin’ny toerana hilalaovana azy izany. Ao ireo entina amin’ny bozaka natoraly, ny fitondra amin’ny kianja bozaka ary ny anaty efi-trano. Tsara marihina fa misy roa karazana ny “godasse” hilalaovana eo amin’ny bozaka. Anisan’izany ny “Crampons Soft Ground (CSG)” sy ny “C. Firm Ground (CFG)”.

+: Inona no mampiavaka ilay CSG sy ny CFG?
– : Miavaka tanteraka izy roa ireo. Raha ho an’ny CSG manokana, vita amin’ny vy ny famahatrany na ny “crampons”, eo amin’ny faladiany ary miisa enina izany. Ireo mpilalao baolina kitra matihanina amin’izao fotoana izao no tena mampiasa azy. Vita amin’ny plastika kosa ny an’ny CFG ary miisa 8-14 ny isan’ny famahatra. Hampiasain’ireo mpitia ny taranja avokoa moa izy ity, eny na ny mpilalao rugby aza.

+ : Azonao hazavaina ve ny mahasamihafa ilay kiraro filalaovana anaty efitrano sy ny amin’ny bozaka artifisialy?
– : Tsy misy famahatra ny kiraro entina milalao amin’
ny “futsal” na ny baolina kitra anaty efi-trano. Araka ny fikarohana nataoko, ahitana fingotra malama ilay izy, ary ny mpilalao matihanina Futsal, efa mampiasa azy avokoa. Misy famahatra maherin’ny 13-21 na rakotra daholo kosa ny faladian’ny kiraro hampiasaina amin’ny bozaka artifisialy, ary maro amin’ireo mpitia kitra eto Madagasikara no tena manjifa azy.
Tsara ny mampahafantatra, efa betsaka izao ny kianja “synthétique” eto an-toerana. Ary anisan’ireo efa nanangana toerana roa amin’izany i Steve Princy. Ankoatra ny eny Analakely, misy ihany koa ny eny Betongolo.

Kiraron’i Cristiano Ronaldo CR7 no lafo indrindra

Araka ny fikarohana natao omaly, mpilalao baolina kitra kalaza maro no efa manana ny marika filalaovany eny ambony kianja manokana. Ny “Nike Mercurial Superfly CR7, Edi­tion spécial”, an’ilay kalaza portigey, Cristiano Ronaldo, no tena lafo indrindra, mahatratra 1 787 euros, na 8 tapitrisa ariary mahery, teo ny vidiny raha ny vaovao navoakan’ny gazety frantsay, l’Equipe, ny taona 2020.
Ny taona 2018 teo no nivoaka ity kiraro ity, ary 154 ny isan’izany.
Tsiahivina fa in-154 tamin’io fotoana io, i Cristiano Ronaldo, no voaantso handrafitra ny ekipam-pirenena Portugal. Ampahafantarina ihany fa atleta iray efa nandrombaka ny baolina volamena “ballon d’or” indimy, teo amin’ny tantaran’ny baolina kitra ity mpilalao baolina kitra kalaza ity.

Lisitr’ireo kiraro filalaovana baolina kitra lafo indrindra :
1 – Nike Mercurial Superfly CR7 « edition spéciale » – 1 787 €
2 – Nike Mercurial Superfly IV CR7 se « rare gold » – 834 €
3 – Nike Tiempo Legend 6 se Andrea Pirlo – 629 €
4 – Nike Mercurial Vapor « flyknit ultra fire and ice » – 410 €
5 – Nike Mercurial Superfly CR7 « quinto triunfo » – 406 €
6 – Nike Mercurial Vapor « XII 360 off white » – 405 €
7 – Adidas Predator Accelerator – 359 €
8 – Nike Mercurial Vapor « flyknit ultra fire and ice » – 358 €
9 – Adidas Predator accelerator electricity – 319 €
10 – Nike Mercurial Vapor « XII future lab » – 311 €

CREATOR: gd-jpeg v1.0 (using IJG JPEG v62), quality = 75
Partager sur: