Faharavana apokaliptika!

Tsy i Madagasikara irery akory no may fa izao tontolo izao mihitsy. Nanaitra ary mampametra-panontaniana ny faharavan’ny tanàna maro any Los Angeles hatrany Hollywood. Tsy mahahenjana ny henjana ny loza voajanahary. Ana hetsiny ny traboina sy rava fananana. Trano an-tapitrisany dolara, fiara maro no lasa lavenona.
Loza tsy azon’ny saina neritreretina velively raha izany tanjaky ny Amerikanina izany. Loza natao hampieritreretana lalina. Taratry ny maha hamehana ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny faharavan’ny tontolo iainana izany. Tsy misy afaka ny hizahozaho fa mahavita mihantsy ny natiora.
Mampihorinkoditra ny mahita ny sary miparitaka momba ny voka-dratsin’ny afo. Efa kisarin’ny fahapotehan’ny tany, araka ny voalazan’ny Baiboly, andaniny. Toa efa ireny hoe: ” faharavana apokaliptika” amin’ny horonantsary foronina ireny, ankilany. Tena tsy misy voambolana mahalaza azy ny tena marina. Mandrora miantsilany diso tafahoatra ilay zanak’olombelona.
Mila fahatongavan-tsaina sy fahatsapan-tena ny zava-misy miseho. Tsy afa-miala amin’ilay manontolo lehibe i Madagasikara. Tsy hoe hilingilingy amin’ny voin’ny hafa fa hijery akaiky ny zava-misy eto an-toerana. Tsy handrora miantsilany lava izao. Mba hanana politika matotra amin’ny fisorohana ny voina fa tsy ho mpitsabo aorian’ny fahavoazana foana. Mainka manampy trotraka aza izay politikan’ny ” fihatsarambelatsihy” izay, satria tsy manana hery sy fahafahana hitsabo araka ny tokony ho izy akory isika mianakavy.
Mila misaina lalina…Fa na apokaliptika na tsia dia ny zanak’olombelona ihany no miantoka ny hoaviny.

r.r

Partager sur: