Toliara: maro ireo resy lahatra manohana ny tetikasa Base

Fantatry ny fanjakana ny fampandrosoana hoentin’ny tetikasa Base Toliara matoa nekeny ny hanokafana azy indray. Mihamaro ihany koa ny vondron’olona resy lahatra manaraka azy any Toliara.

Maro ireo mankasitraka ny fisokafan’ny orinasa Base Toliara in­dray, any Atsimo Andrefana. Anisan’izany ny olobe any an-toerana, i Lizanty Emile, nilazany fa niady mafy ny hanokafana azy izahay, nifampidinika tamin’ny sokajin’olona maro. Nivaly ny fitakiana satria tsapan’ny fanjakana ny tombontsoa hoentin’ny orinasa, sady hanana ny lanjany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny fitrandrahana harena ambanin’ny tany. Ho maro ny asa hiforona sy ny hetra ary ny haba hampidiriny izay hiantraika amin’ny toekarena sy sosialy eny ifotony sy ny firenena.
Niova hevitra lasa nanohana ny tetikasa ny mpanjono any Andaboy, mpikambana ao amin’ny Zanadriaka. Tsiahi­vina fa any Andaboy no ha­nanganana toerana fitahirizan’entana sy seranan-tsambo manokana hampiasain’ny orinasa. Ho an’i Rigobert Fidi­son, « Efa nanaiky hanorina toeram-pitsaboana sy sekoly ny Base… Lainga ny filazana fa haka ny morontsirak’An­daboy 2 000 ha ny orinasa, nefa mirefy 2 ha ihany anefa no ho hampiasainy ary afaka manjono foana ny mpanjono. Inoako fa hiova hevitra ireo mpanohitra ny tetikasa vitsy anisa ». Anisan’ireo Zana­dria­ka nanohitra ny Base i Pros­per, izay efa niova fo, ankehitriny. « Miantso ny mpanjono namako aho hiara-kiasa amin’ity tetikasa ity », hoy izy.

Nentanina ny any Belalanda
Ho an-dRavaonirina Victorine, mpivarotra hazandranomasina, « manan-janaka mpanjono aho ary misy ny mbola mianatra nefa tsy mahita asa… Mangataka fitaovana, toy ny vata fampangatsiahana entin-tanana izahay hanampy amin’ny velon-tenanay ».
Nanentana ny mponina any amin’ny kaominina Belalanda ny olobe toa an’i Jeannot Roberval sy Ninie Augustine. « Efa mandom-baravarana eto an-toerana ny fampandrosoana, ka tsy tokony hitsabahan’ny resaka politika intsony”, hoy izy ireo.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: