Miara-misalahy ireo tomponandraikitra samihafa hijerena ny vidim-bary taorian’ny toromarika nataon’ny filoham-pirenena, ny alarobia teo. Namory ireo mpivarotra mpamongady ao Toamasina ny tomponandraikitra, ny talem-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (DRIC) Atsinanana. Nisy ihany koa ny dinika niarahana tamin’ireo mpandraharaha mpanafatra entana ao Toamasina, ny talata teo. Filamatra ao anatin’ny fiaraha-miasan’ny roa tonta ny fifampitsinjovana. Noho izany, « tokony ho ara-drariny ny tombony fakan’ny mpandraharaha », hoy ny talem-paritra Atsinanana, Belalahy Jean Berchmans.
Ankoatra izay, ampy hiatrehina ny maitsoahitra ny tahirim-bary misy amin’izao fotoana ary andrasana ho avy mandritra ity volana ity koa ny vary 40 000 taonina nafarana avy any ivelany. Ankilany, jerena ny paikady hitondrana vahaolana maharitra hanamarinan-toerana ny famatsiana sy ny vidim-bary. Marihina fa tafakatra 4 000Ar ny kilaon’ny vary makalioka raha manomboka miaka-bidy ihany koa ireo vary hafa, amin’izao fotoana.
Henintsoa H.