Fanomanana ny “Chan 2025”: hosedraina amin’i Matsiatra Ambony ny Barea

Ao anatin’ny fanomanana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, ny Barea de Madagascar. Araka izany, hosedraina amin’ny ekipa voafantin’i Matsiatra Ambony ry zalahy, amin’ity faran’ny herinandro ity.

Any amin’ny tapany atsimon’i Madagasikara no nisafidy hanazatra tena ny Barea de Madagascar, amin’izao faran’ny herinandro izao. Hiatrika lalao tsapa amin’ ny ekipa voafantin’i Matsiatra Ambony ry zalahy. Fihaonana hotanterahina rahampitso, ao amin’ny Kianja maoderina Ampasambazaha. Lalao tafi­ditra ao anatin’ny fanomanan-tena amin’ny fiatrehan’ny Barea de Madagascar ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ireo mpilalao tsy matihanina, ”Chan 2025” izany.
Nambaran-dRakotondrabe Romuald (Rôrô), mpanazatra, fa ho tsapaina amin’ity lalao ity, ireo mpilalao vaovao nantsoina hanatevina ny Barea. Raha tsiahivina, miisa 11 izy ireo ka misy ny mpiandry tsatoby, eo koa ny vodilaharana sy ny irakiraka ary ny lohalaharana. Tsy maintsy hanodina ireo mpilalao rehetra na efa tao hatramin’izay na vaovao ireo teknisianina eo anivon’ny Barea, amin’ity.
Aorian’ity fihaonana ity, hihazo avy hatrany an’i Mana­kara ny Barea de Madagascar ka mbola hiatrika fihaonana fitsapana faharoa ny sabotsy 18 janoary ho avy izao. Hika­troka amin’ny ekipa voafantin’i Vatovavy sy Fitovinany izy ireo. Nomarihin’ny mpanazatra ny Barea fa raha misy mpilalao mahafeno fepetra ka hita fa tsara amin’ireo ekipa hifanandrinana, dia ho antsoina ihany koa. Aorian’ireo fihao­nana sedra roa ireo, raha tsy misy ny fiovana, hivoaka ny anaran’ireo mpilalao 25 hia­trika ny “Chan 2025”. Lalao hatao any Tanzanie sy Kenya ary Ouganda, ny 1 ka hatramin’ ny 28 febroary ho avy izao. Tsiahivina fa hatao any Kenya, ny alarobia 15 janoary 2025, ny antsapaka hahalalana izay iray vondrona amin’ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny ekipam-pirenena tsy misy mpilalao matihanina, ity.

Tompondaka

Partager sur: