Hotontosaina manomboka anio, hatramin’ny rahampitso alahady, eny amin’ny ANS Ampefiloha, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja badminton, sokajy senior, lahy sy vavy. Araka ny fanadihadiana natao omaly, tamin’ny loharanom-baovao iray avy eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny badminton (FMB), natao hamaranana ny taom-pilalaovana 2024 lasa teo izany. Mahatratra 87 eo ireo mpilalao hifanintsana amin’ izany ary lalao ho an’olo-tokana ihany no hatao fa tsy hisy ny isan-tarika.
Avy amin’ny klioba valo moa izy ireo. Anisan’izany ny St Joseph Mahamasina, ny MB2ALL, ny DDBC, ny ABC Vakinankaratra, ny East Bad Toamasina, ny SCI Itaosy sy ny VTTK Ivato ary ny LCSMI Saint Michel.
Tsara marihina fa hanana solontena avokoa izany ireo ligy telo, mandrafitra ny federasiona, toy ny ligin’Analamanga, mpampiantrano sy i Vakinankaratra ary Atsinanana. Ankoatra izay, hisy ny fifaninanana manokana entina hanokafana ity taom-pilalaovana vaovao ity. Raha ny vinavinan’ny federasiona, hatao ny faran’ny volana febroary eo izany, ao amin’ny Kianja mitafo Mahamasina. “Hiezaka ny hangataka ny famatsiana ara-bola avy amin’ny minisiteran’ ny Fanatanjahantena sy ny tanora izahay, mba hahafahana manao fifanintsanana maro mandritra ity taona 2025 ity”, hoy Ravalison Jean Aimé, filohan’ny FMB.
Fitia Randria