Namoaka ny filaharan’ireo firenena, eo amin’ny taranja basikety, ny Federasiona iraisam-pirenen’ny basikety (Fiba), omaly. Amin’ny ankapobeny, mitana ny laharana fahadimy aty Afrika ny Ankoay ary laharana faha-52 maneran-tany. Ho an’ny aty Afrika, ao aorian’i Bénin, Algérie, Ouganda, Burkina Faso ary Afrika Atsimo i Madagasikara. Nosongonan’i Bénin sy Afrika Atsimo, araka izany, i Madagasikara raha ny filaharana tamin’ny voalohan’ny volana janoary teo no jerena.
Raha ny filaharana amin’ny sokajy kosa, mitana ny laharana fahenina aty Afrika, aorian’i Afrika Atsimo, Bénin, Burkina Faso, Ouganda, Algérie ary Nigeria ny Ankoay sokajy zazalahy. Faha-53 kosa eo amin’ny filaharana maneran-tany. Ho an’ny Ankoay sokajy zazavavy kosa, laharana faha-7 izy ireo aty Afrika ary faha-51 maneran-tany. Tsy misy Malagasy mpilalao tafiditra ao anaty top 250 kosa na ho an’ny sokajy zazalahy na ho an’ny zazavavy.
A.F