Soa toa lavina

Voalazan’ny mpandinika fa ny kolontsaina sisa tavela raha very na hadino avokoa ny zava-drehetra. Mby aiza izany eto Madagasikara amin’izao taranaka sy fotoana izao? Toa izay kolontsaina maha izy azy ny tena izay indray aza no mila ho very, hadino, rava… Antom-pisiana sy fototra iainana io: fahatahorana an’Andriamanitra, fitandroana aina, finoana ny tsiny sy tody… Arofanina eo amin’ny fiainana avokoa izany eo amin’ny fiarahamonina. Miara-dalana aminy ny fifampitondrana amin’ny fanda­lana fihavanana, fifampitsinjovana, fifanampiana, fifana-jana… Aiza ho aiza amin’izao?
Mila ho very, na hadino, na rava, na afoy… Efa zary fiteny sy fiaina ny hoe samy mandeha, samy mitady. Tsy inona fa samy maka ho azy amin’ny fitiavan-tena. Faha­sahiranam-piainana no antony? Ny fitadiavana mahazaka maniraka. Na any amin’ny lalan-diso aza… Eo koa ny fanatontoloana, ny fakan-tahaka befahatany… Amin’izany, miova mbamin’ny soatoavina? Rehefa hoe “tafa” dia izay… Miova mbamin’ny fiteny: tafita ny hoe “tafa”. Ny rafitra na firafitry ny soatoavina no mandiso lalàna na diso? Mamitaka, manimba, mampisaraka an-toerana… Ho tonga hatraiza fa efa mby amin’izany izao?
Izay heverina ho mahatafita na mampandroso no manimba? Noho ny fahaverezana na fanadinoana ny soatoavina enti-miaina…. Ahoana no hanarenana sy hanonerana izany haingana sy maharitra? Anisan’ny hoe andry amin’ny fampandrosoana, amin’izao, ny maha olona. Misy politika mazava? Na vinam-piarahamonina amin’ny hoe olona toa inona no tiana hisy… Eo koa ny fandaharanasa, fomba fiasa, olona hiasa… Raha tsy izany, mandringa ihany ny hoe fampandrosoana fa tsy araka ny maha izy azy ny tena. Soa toa lavina tsinona ny soatoavina, fa tsy tena isiana sy iainana?

R. Nd.

Partager sur: