Sehatra Bagasy 2025: hisy ny « Asaramanitra bagasy »

Sehatra Bagasy, vondrona ikambanan’ireo mpiangaly, mpitia, mpikajy, mpamelona, sns, ny bagasy. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana volana janoary sy febroary ny hanatanterahina ny « Asaramanitra bagasy ». Araka ny vaovao nampitain’i Lydie Ratefiarison, filohan’ny Sehatra Bagasy, ny sabo­tsy 1 febroary, manomboka amin’ny 2 ora sy 30mn ka hatramin’ny 5 ora sy 30mn hariva, ao amin’ny efitrano malalaky ny Aro Antsahavola no hanatanterahina izany. Nohamafisiny fa : « … Holaroina hira hataon’ny tarika, mpikambana, mpanakanto, mpihira, mpisitraka… Isika rehetra… Ny tolakandrontsika ».
Marihina fa anisan’ny sehatra lehibe ifanenana sy ifanakalozana eo amin’ny tontolon’ny bagasy ny Sehatra Bagasy. Ao anatin’ny taona iray, omena vahana sy lanja lehibe ny fifanakalozana (mpihira samy mpihira, mpitendry samy mpitendry, mpihira sy mpitendry, sns). Tombony lehibe ho an’ny ankizy sy tanora ny fananana ny Sehatra Bagasy raha ny nahitana azy hatramin’izay, satria, matetika ireo mpanakanto efa manana traikefa matanjaka no mizara izany amina hetsika tahaka izao.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: