Araka ny fikarohana natao omaly, fantatra izao fa nofidin’ ilay minisitry ny Fanatanjahantena sy ny tanora ary ny fanabeazana ny maha olom-pirenena ao Centrafrique (RCA), Rodolphe Heritier Bonheur, ho mpanazatra ny ekipa nasionalin’ny les Fauves Centrafrique, ilay kameroney, Rigobert Song Bahana. Natao tamin’ny fomba ofisialy tany an-toerana izany, ny 13 janoary lasa teo.
Zava-dehibe ho an’ny Malagasy eto an-toerana ny mahafantatra ity vaovao ity. Satria, firenena iray hifanandrina amin’ ny Barea ny RCA, ny volana marsa izao. Efa manana teknisianina vaovao izy ireo, ary manana traikefa i Rigobert Song. Tsara ny mampahatsiahy fa efa nitondra ny Lion Indomptables Cameroun, izy teo aloha, ary izy no nitondra ny liona tsy voafolak’i Cameroun, nandritra ny “Mondial 2022” izay natao tany Qatar.
Fitia Randria