Araka ny tetiandro navoakan’ny Malagasy Rugby, hotanterahina ny 16 febroary ho avy izao ireo lalao sakana rehetra amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara. Anisan’ izany ny fihaonana eo amin’izay ekipa hijanona ao amin’ny “Top 12”. Hiady izany toerana izany ny UAS Cheminots, laharana faha-11 sy ny 3FAI, tompondaka lefitra tamin’ny Federal 2. Tafiditra ao anatin’ny “Top 12” amin’ny taom-pilalaovana manaraka izay mandresy amin’ny roa tonta. Tsiahivina fa midina any amin’ny D2 ny FTBA izay laharana farany tamin’ny “Top 12”.
Ankoatra izay, hotontosaina amin’io ihany koa ny lalao sakana ho an’ireo ekipa 4 hiady ny tapakila hiatrehina ny manasa-dalana amin’ny “Top 12”. Hiady izany ireo ekipa nitana ny laharana fahatelo ka hatramin’ny fahenina. Raha tsiahivina, fahatelo ny TFMA Ankasina, fahefatra ny TFA Anatihazo, fahadimy ny Uscar ary fahenina ny Tam Anosibe. Hifandona amin’ io sakana io ny TFMA sy ny Tam ary ny TFA sy ny Uscar. Midona amin’ny Cosfa, laharana voalohany, eo amin’ny ankatoky ny famaranana izay tafavoaka eo amin’ny Uscar sy TFA ary mikatroka amin’ny FTM, faharoa, izay tafita eo amin’ny TFMA sy ny Tam.
Araka ny tapaka eo anivon’ny komity mpitantana ny Malagasy Rugby, any amin’ny faha-23 marsa no hanatontosana ny lalao manasa-dalana.
Tompondaka