Miara-miasa mandrindra ny vidim-bary ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (Mic) sy ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae). Tanjona ny hijerena ny paikady hampidinana ny vidim-bary amin’izao fotoana. “Hapetraka ny rafitra, ny vina fohy ezaka sy lavitr’ezaka. Hovolavolaina ny lalàna hametrahana ny vidim-bary sy hanafoanana ny fanararaotana”, hoy ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra Ralambofiringa David, omaly, nandritra ny dinika nifanaovany tamin’ireo mpisehatra rehetra voakasika. Napetraka ny vaomiera iombonana, Task Force, hiantoka ny fisian’ny vary eny an-tsena sy hifehy ny vidiny. Misy ny komity mpandrindra eto Antananarivo sy any amin’ny faritra. Ho tratra ny tanjona araka ny toromarika napetraky ny filoham-pirenena amin’ny hampidinana hatrany amin’ny 750 Ar ny kapoakan’ny vary hafarana.
Ankoatra izay, hijery manokana ny zezika sy ny masomboly hanatsarana ny voka-bary ny Minae, raha hametraka ny arofanina sy ny paikady hamehezana ny vidim-bokatra ny Mic. Hiara-hiasa amin’ireo amin’ny sampandraharaha ara-bola madinika ny « Task Force » ka handray fepetra ho an’izay minia mandika ny lalàna apetraka.
“Nitombo 4% ny voka-bary eto Madagasikara, ny taona 2018-2024, izay maharaka ny fitomboan’ny isan’ny mponina (2,8-3%), saingy mbola tsy ampy”, hoy ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Hajarison François Sergio.
Henintsoa Hani