Tapitra ny faran’ny taona 2024 teo ny dimy taona voafaritry ny drafi-panarenan’ny fitantanana foibe ny haban-tseranana (DGD) malagasy. Nahomby ny vokatra azo.
Dingana vaovao indray ny drafi-panarenana ny fitantanana ny haban-tseranana na ladoany malagasy ho an’ny dimy taona manaraka (2025-2029). Raha asiana jery todika ny teo aloha, nahomby ary nihoatra ny tanjona tokony hotratrarina ny zava-bita. Nitatitra ny tale jeneraly, Zafivanona Lainkana, omaly, fa nifototra tamin’ny fampiasana ny niomerika ny fanavaozana ny fitantanana tao anatin’izay dimy taona voalohany izay (2019-2024). Nahitam-bokatra ny ezaka natao, satria nitombo 101% ny haban-tseranana ny taona 2024, mitentina 3 793 miliara Ar. Nahatratra 80,82% ny tahan’ny fanavaozana ny ladoany tao anatin’ny 5 taona, raha toa ka 75% ny tanjona napetraky ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI). Havaozina indray io tanjona io ho an’ny 5 taona manaraka. Nahatratra 78% ny tahan’ny fanamorana ny fifanakalozana ara-barotra teny amin’ny ladoany, rehefa nampiasaina ny teknolojia niomerika.
Nomarihin’ny DG, Zafivanona Lainkana, fa manodidina ny 70% ny fikarakarana ny antontan-taratasin’ny manana raharaha ao amin’ny ladoany dia vita ao anatin’ny adiny 3 ora.
Niisa 1 433 ny fandikan-dalàna
Anisan’ny nanohana ara-teknika ny ladoany ny koreanina amin’ny fametrahana paikady hiadiana sy hisorohana ny hosoka, notohanan’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena samihafa. Nomarihin’ny DG an’ny ladoany, fa na ampiasaina aza ny teknolojia niomerika, mihasarotra ihany koa ny asa. Na izany aza, nahitam-bokany ny paikady napetraka, ka niisa 1 433 ny fandikan-dalàna tamin’ny taona 2024. Tafiditra ao anatin’izany ny trafikana sokatra miisa 1 692, volamena 67,5 kilao, ny fahatrarana vola vahiny nitentina 192 250 euros sy 21 966 dolara, sns.
Njaka Andriantefiarinesy