Androm-pirenena ho an’ny kabary: mpisehatra 189 nahazo ny mariboninahitry ny kanto

Tsy hoe lamaody ka be mpanao, fa kolontsaina ifandovana. Mbola maro mpandala ny kabary malagasy, raha notarafina tamin’ny isan’ireo mpisehatra notolorana ny mariboninahitry ny kanto, omaly.

15 janoary. Natokana ho Androm-pirenena ho an’ny kabary malagasy io daty io, nanomboka ny taona 2022. Ho fanamarihana izany, nisy ny lanonana no­tontosaina tetsy amin’ny Ha­voria Anosy, omaly. Mpi­kabary miisa 189 no nomena ny mariboninahitry ny kanto, noho ny vitany tamin’ny fampiroboroboana ny kabary, singa iray anatin’ny kolontsaina malagasy. Ny 12 mianadahy tamin’izy ireo dia nahazo ny mariboninahitra «Commandeur de l’ordre des arts, des lettres et de la culture ». Ny 39 mianadahy nahazo ny «Officier de l’ordre des arts, des lettres et de la culture» ary ny 138 mianadahy nahazo ny « Chevalier de l’ordre des arts, des lettres et de la culture». Nanome ny mariboninahitry ny kanto azy ireo ny minisiteran’ny Serase­ra sy ny kolontsaina, notarihin’ny minisitra, Mara Volami­ranty Donna.
« Mifampiankina amin’ny tantara sy ny fomba ny kabary. Efa mivelatra izany ankehitriny ka efa ampiasaina amin’ny fizahantany, ny politika ary ny fampandrosoana maharitra », hoy ny filohan’ny Fede­rasionin’ny mpikanto ny teny sy ny soratra na ny FMTS, Fi­to­miandalana. Ho marika izay fivelarana izay hatrany, efa mifanahantsahana izao ny isan’ireo mpikabary lehilahy sy vehivavy, ary hita taratra tamin’ireo nomena ny mariboninahitra omaly izany.
Ho fanohizana ny efa na­tomboka, mbola nanamafy ny fahavononany amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo mpisehatra rehetra anatin’ny kolontsaina ny minisitera. Mbola nanamafy ny fahavononany sy ny departemanta tarihina amin’ny fampiroboroboana ny kolon­tsaina ho fampiroboroboana ny firenena ny minisitra.
Raha tsiahivina fohy, adidisika sy asa maro no natao teo anivon’ny iraisam-pirenena, indrindra ny Unesco, vao tonga tamin’ny fanoratana ny maha harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona ny kabary malagasy. Ny 15 de­sambra 2021 no nankatoavin’ ny Komity iraisam-pirenena momba ny fifanarahan’ny Unesco ny fanoratana azy, ary ny 15 janoary 2022 kosa no nanaovana ny lanonam-panjakana manetriketrika ho fanambarana izany voalohany, teny amin’ny Lapan’Anda­fiavaratra. Notapahana fa Androm-pirenena ho an’ny kabary malagasy rahateo io, ka marihina isan-taona.

Zo ny Aina

Partager sur: