Tontosa tao Kenyatta International Conventional Centre, Nairobi Kenya, omaly alarobia, ny antsapaka amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra ho an’ny ekipam-pirenena tsy misy mpilalao milaravinahitra na ny «Chan 2024». Tafaraka ao amin’ny vondrona «B» ny Barea de Madagascar sy ny Les Fauves, Centrafrique. Tsy vaovao amin’ny Malagasy ry zareo Centrafrique satria ekipa efa nihaona tamin’ny fifanintsanana «Can 2023’ ka resin’izy ireo tamin’ny isa 2 no ho 0. Mbola hifanandrina amin-dry zareo ihany koa amin’ny volana marsa ho avy izao eo amin’ny fiadian-toerana ho an’ny «Mondial 2026». Voalohany kosa vao hifandona ny roa tonta amin’ity fifaninanana ity, izay lalao tsy misy mpilaravinahitra.
Ankoatra izay, hiaraka amin’i Tanzanie, mpampiantrano, ny Barea de Madagascar. Heverina fa ho maozatra ihany ny hifanandrina amin’izy ireo satria tompon-jaridaina. Mbola miray sokajy amin’ny Malagasy koa i Mauritanie sy i Burkina Faso. Ekipa dimy, araka izany, ny vondrona misy ny Barea. Tafita amin’ny ampahavalon-dalana ny roa voalohany amin’ireo.
Azo lazaina fa vondron’ny fahafatesana ny ao amin’ny vondrona «A», iarahan’i Kenya, i Maroc, i Angola, RD Congo, miampy an’i Zambie. Ao amin’ny sokajy «C», i Ouganda, Niger miampy an’i Guinée sy ireo firenena roa mbola hiatrika fifanintsanana manaraka, toa an’i Egypta, Afrika Atsimo, Comores ary i Algérie. Ny vondrona «D», misy an’i Senegal, tompondaka farany miaraka amin’i Congo sy i Soudan ary i Nigeria. Tsiahivina fa amin’ny volana aogositra ny fifaninanana, araka ny tapaky ny Kaonfederasiona afrikanina (Caf).
Tompondaka