Olan’ny mpanao politika

Tahotra, ahiahy… Izay no rivotra fohina amin’izao? Tsy inona fa ny amin’ny fampiakaram-peon’ny sasany eo am-piandrasana ny vokatra ofisialin’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina. Hanao ahoana? Tsia, efa azoazo vina ny voka-pifidianana miainga amin’ny vonjimaika navoakan’ny rafitry ny Ceni eny anivon’ny faritany. Ny aorian’ ny fifidianana? Eo ny fisian’ny fanahiana sy tahotra korontana politika indray… Mandra-pahoviana? Tsy ho tonga­tonga ho azy izay korontana izay: misy ny maniry, miketrika, mandranitra… Ho azo amin’izany ve ny vahoaka… sahi­rana?
Tsy inona ny hoe korontana fa koro tantana: koro na rava ny tantana na ny lamina. Izay no kendren’ny sasany amin’izao? Hikorontana sy haharava ny tantana na fanja­kana… Loza iray, loza roa… Izay mikorontana eo amin’ny toerana misy azy no manakorontana? Tsy mahazo aina sy tsy mahita atao na tapi-dalan-kaleha amin’izay tetehiny dia manakorontana… Ho azo amin’izany ny vahoaka? Misy mihevitra fa mandaitra hatrany izay paikady sy fomba nahombiazana omaly. Tsy efa hafa ve ny anio? Ny vahoaka no minia manakorontana ny momba azy sy ny fiainany, raha azo amin’izany.
Ny olan’ny mpanao politika no vahana amin’ny koron­tana? Vao mainka hampitombo ny fahasahiranam-bahoaka… Hivaha amin’ny korontana ve, ohatra, ny olana amin’ny famatsian-jiro sy rano, ny fahasahiranana amin’ny famokarana noho ny haintany, ny fidangan’ny vidim-piainana…? Izany izao no manahirana ny vahoaka. Mba misy mpanao politika miantso hetsika amin’ny famahana izany? Mby amin’ ny hoe ny olan’ny mpanao politika ihany no ataon’ny sasany ho zava-dehibe, mahamaika, imasoana… Aleo ny samy mpanao politika no hiady sy hifandamina amin’izany?

R. Nd.

Partager sur: