Niditra tamin’ny dinika faharoa ny teo anivon’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena niaraka tamin’ny Federasionina isan-tsokajiny, omaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina.
Dinika nihainoana indray ireo filohan’ny federasionina manoloana ireo olana sedrain’izy ireo mba ho fampandrosoana ny fanatanjahantena malagasy. Teboka iray lehibe nivoitra ny mahakasika ny PNS (Plan national du sport) na ny Dinika nasionalin’ny Spaoro. Nambaran’ny minisitra fa hisy ny atrikasa handinihina izany, hahafahana mamoaka amin’izay ity PNS ity, izay efa 6 taona no nandrafetana izany. Nohamafisiny fa hiarahin’ny MJS sy ny federasionina manapaka ny PNS. Anisan’ny noresahina ny mahakasika ny “subvention” na ny fanohanana ara-bola natokana ho an’ny federasiona izay nampivelon-taraina azy ireo. Nitondra fanazavana ny mpiasa eo anivon’ny MJS fa misy ny lamina ary mila mandefa mialoha ny fangatahana ny federasionina. Tetsy ankilany, namaly ny federasiona fa efa miezaka manaraka ny toromarika izy ireo saingy misy olana hatrany io resaka fanohanana ara-bola io. Nisy fangatahana maromaro nataon’izy ireo, toy ny fananganana “dojo fédéral” sy ny foibe ho an’ny federasionina tsirairay. Toraka izay koa, ny hamoahana ny “subvention” amin’ny fotoana ilana azy. Namaly ny minisitra fa ho hafainganina ny famaliana sy fikarakarana ny fangatahana fanohanana atao ho an’ny federasionina. “Hojerena araka ny laharam-pahamehana ny fanomezana “subvention””, hoy ny minisitra.
Mi.Raz